Русские видео

Сейчас в тренде

Иностранные видео


Скачать с ютуб FOTO-DRAFITRASA : HOMENA ENDRIKA KANTO SY MENDRIKA NY SISIN-DRANOMASIN’I TOAMASINA в хорошем качестве

FOTO-DRAFITRASA : HOMENA ENDRIKA KANTO SY MENDRIKA NY SISIN-DRANOMASIN’I TOAMASINA 5 лет назад


Если кнопки скачивания не загрузились НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу страницы.
Спасибо за использование сервиса savevideohd.ru



FOTO-DRAFITRASA : HOMENA ENDRIKA KANTO SY MENDRIKA NY SISIN-DRANOMASIN’I TOAMASINA

18 martsa 2019: Nanohy ny fidinana ifotony hatrany ny filoham-pirenena ka nijery ny sisin-dranomasin’i Toamasina, izay araka ny efa nambarany fa hamboarina tanteraka sy hatsaraina mba tsy ho mena-mitaha amin’ireo hita any ivelany ny eto amintsika. Mirefy eo amin’ny 7km eo ny sisin-dranomasina izay voakasik’ity tetikasa lehibe ity : manomboka eo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ka mitohy hatreny Salazamay. Hanaraka dingana maromaro ny asa fanamboarana. Hanombohana izany ny fanitarana ny lalana ka hasiana lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra manaraka iny sisin-dranomasina iny. Voakasik’ity tetikasa ity avokoa ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny toekarena, ny tanora sy fanatajahantena.  Eo amin’ny lafin’ny fizahantany dia hitarina ny seranan-tsambon’i Toamasina mba handray irony sambo mpitondra mpizahan-tany irony ka afaka hiantsona eo amin’iny sisin-dranomasina iny. Hisondrotra, noho izany, ny sehatry ny fizahantany ary hipàka amin’ny toekarena. Hamboarina ihany koa ireo toeram-pivarotana isan-karazany manaraka iny sisin-dranomasina iny mba hanara-penitra sy hanatsara ny endriky ny tanàna. Rehefa niresaka tamin’ireo mpivarotra teny an-toerana moa ny filoha Andry Rajoelina dia nanazava tamin’izy ireo fa tsy misy ho esorina eny amin’ny toerana misy azy izy ireo fa kosa hiara-hiasa amin’izy ireo ny fitondram-panjakana mba hanatsara ireo toeram-pivarotana ireo. Noantitranterin'ny filoham-pirenena anefa fa tsy tokony hiampy intsony ireo mpivarotra fa ireo efa teo ihany no ho raisina sy hapetraka anatin’ny lamina vaovao ka ireo mpivarotra no hiara-hifehy izany amin'ny fanjakana. Ho an’ny tanora sy ny ankizy kosa dia hatsangana eny an-toerana ireo toeram-pilalaovana isan-karazany sy kianja fanaovana fanatajahantena samihafa.

Comments